PolitiqueTsidika

Mpanolontsaina folo no angatahan’ny Prefet esorina eo amin’ny toeran’izy ireo

Nangataka fanesorana sy fanoloana mpanolon-tsaina miisa folo eny amin’ny Fitsarana ny Préfet de Police Antananarivo. Voakasik’izany fanesorana izany : Toavina Ralambomahay mpanolo-tsaina avy amin’ny KomBa, Clemence Raharinirina avy amin’ny IRK ary ny valo ambiny avy amin’ny Antoko TIM.

Raha ny fanambaran’ny avy ao amin’ny kaominina, napetraka izao taratasy fanesorana izao nohon’ny tsy fanajan’ireo mpanolo-tsaina folo ny lalana mifehy ny asan’izy ireo. Tsy tonga nanatrika ny fivoriana izay fanaon’izy ireo ireto farany ary tsy nisy ny taratasy fanazana ny antony tsy nahatongavana tamin’izany. Tsara ny manamarika fa efa nandefasan’ny kaominina taratasy fiantsoana in-telo izy ireo fa tsy namaly ny antso mihitsy.

« Tsy misy firaisan-tsaina mihitsy ve ao amin’ny kaominina fa toa olana foana no re. Rehefa tsy mifampitory ny ben’ny tanàna sy ny mpanolo-tsaina dia tsy tonga mivory indray koa ny mpanolo-tsaina. Mila jerena hatrany amin’ny fotony mihitsy ny anton’ny fisian’izao tranga misesy izao fa sao hitarika amin’ny tsy fampandrosoan’ny firenena » hoy i Rene, mponina ao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, naneho ny heviny mikasika ity vaovao ity.

« Tsy mety izao fangataham-panesorana izao, olom-boafidim-bahoaka izy ireo fa tsy olona notendrena. Sao kosa ny fifidianana no tokony averina dia hita eo izay lany ’’ hoy kosa Andry, mpikambana amin’ny antoko politika iray.

Nanambara ny heviny ny amin’izao zava-misy izao ihany koa ireo avy ao amin’ny antoko TIM ka nilaza fa tsy mifantoka amin’ny tombontsoam-pirenena ny Prefet fa mijery ny tombotsoa manokana an-izy ireo : « Manala mpanolo-tsaina indray no mahamaika ny Fitondrana fa tsy ny fanatsarana ny asa » hoy ireo avy amin’ny antoko mpanohitra izay maro an’isa amin’ity lisitra ity.

Tsy fantatra mazava arak’izany ny antony tsy nahatongavan’ireto mpanolo-tsaina ireto nandritran’ny fivoriana in-telo nisesy. Ny hita kosa, mpanolo-tsaina tsy dia mifankahazo tadin-dokanga loatra amin’ny fitondrana ireto nangataham-panalana ireto. Tsy misy mahalala izay tsy fifankazahoana eo anivon’ny kaominina fa kosa rehefa tsy mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny raharaham-pirenena, azo heverina tsara ny manolo azy. Rahoviana vao hazava ny zavatra tena mitranga ao amin’ny Kaominin’Antananarivo ao ?

Tsangy Randriamampianina

Laisser un commentaire