Mikajy Ranaivonampoizina : Tanora Malagasy faka tahaka
Tanora malagasy nianatra tao amin’ny EUROI (Espace Universitaire de l’Océan Indien) i Mikajy Ranaivonampoizina. Nahavita nanamboatra « imprimante 3D » izy izay nandaniany 1,4 tapitrisa Ariary raha ny fanazavany. Sarotra hoy izy ny nahita ireo « pièce » sasany nanamboarana izany ary nisy tena lafo ny vidiny teny Behoririka. Marihina fa ny volany ihany no nangoniny nananganany io fitaovana io.
Mpianatra nivoaka ny 1 jolay teo teny Ankadindramamy tamin’ny andiany « Jade » i Mikajy Ranaivonampoizina. Iray tamin’ireo mpianatra 48 nahazo mari-pahaizana tamin’izany ny tenany. Nilaza ny mpiantoka io andiany « Jade » io, Jeneraly Harilaza Ranaivonampoizina, fa miala ampiana ara-bola na amatsiana vola ny mpianatra mba hitrandrahany ny fahaiza-manaony sy ny maha-matihanina ary hioharany ny fahaizany.
Hasina Rasamimanana
