Ankadikely Ilafy : Mitohy hatrany ny asa fanadiovana
Isan’ny tanjona iray ao Ankadikely Ilafy ny hanana tanàna madio sy mponina tia madio. Nodiovina indray ny lakan-drano ao amin’ny Fokontany Manjaka ny 14 janoary lasa teo.
« Tsy latsa-danja amin’ny fahadiovana isika eto Ankadikely Ilafy. Na izany aza anefa aoka mba tsy hanary fako any anaty lakan-drano isika. Manampy be ny fahatsetseman’ny tatatra mantsy ny fako. Efa samy manana ny toerana tokony ho hisy azy ny fako sy ny rano maloto » hoy ny ben’ny tanàna ao Ankadikely Ilafy, Rajaonah Rija. « Mahafinaritra ny miaina ao anaty tontolo madio. Afaka mihary sy mitondra fampandrosoana ny mponina ao amin’ny tanàna madio iray. Tsy ny mpitondra ihany no tokony hanadio fa isika vahoaka indrindra aza » hoy i Johane, mpianatra mikasika ny fahadiovana sy ny fidiovana eny amin’ny anjerimanontolo.
« Mahavelom-bolo ny asa fanadiovana tahaka izao. Rehefa tsy misy mandoto ihany koa anefa dia tokony hahavitana zavatra hafa ilay fanadiovana. Efa madio mantsy ny tanàna amin’izay » hoy i Holy, mponina ao Manjaka.
Tompon’andraikitra amin’ny fanadiovana ny rehetra. Tsara raha ariana any amin’ny teorana sahaza azy ny fako fa tsy eny rehetra eny akory.
Nicole Rafalimananjara
