ActualitésTatitra

Amérique du Sud : Amazonie, havokavoky ny tany

Faritra voajanahary iray ao Amérique du Sud i Amazonie. Rakotry ny ala ny ankamarohan’ny velaran-taniny izay mahatratra hatramin’ny 5 500 000 km². Mafana sy mando mandava-taona ny toetr’andro ao an-toerana, manodidina ny 25°C ny maripana antonony ao aminy.

Voalaza fa havokavoky ny tany i Amazonie noho izy mamokatra hazo betsaka mamoaka rivotra madio. 13% ny hazo eran’izao tontolo izao dia ao amin’ny alan’i Amazonie avokoa. Raha ny fantatra dia manodidina ny 390 miliara izany. Mamokatra ny 6 na 5% ny rivotra madio eran’izao tontolo izao ihany koa izy.

Mandrahona izany harena voajanahary ao an-toerana izany nefa ny asan’ny olom-belona. 17% ny ala ao an-toerana no efa simba noho izany antony izany. Manoalana izany dia nanangana tetikasa antsoina « Living Amazon Initiative » (Initiative pour une Amazonie vivante) hoe hamonjena an’i Amazonie ny WWF (Fonds mondial pour la nature).

Firenena sivy no misy ny faritra Amazonie : Brésil (63 %), Bolivie (5,8 %), Pérou (10 %), Colombie (7 %), Équateur (1,5 %), Venezuela (6 %), Guyana (3 %), Guyane française (1,5 %) ary Suriname (2 %).

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire