ActualitésTsidika

Avaradrano : Nibata ny fandresena ny Kaominina Ambohimangakely 

Notontosaina ny 20 Febroary lasa teo ny lalao famaranana baolina kitra teto amin’ny Distrika Avaradrano. Nibata ny amboara nandritra izany ny Kaominina Ambohimangakely tamin’ny isa 3 noho ny 2 nanoloana ny kaominina Alasora. « Isaorana ireo Kaominina rehetra nandray anjara tamin’ity hetsika ity. Ilaina hatrany ny fampiroboroboana ny Distrika misy antsika » hoy ny lehiben’ny Distrikan’Avaradrano. « Betsaka isika vahoaka teto Ambohimangakely no tonga nanotrona ny ekipa. Zava-poana ny ezaka raha tsy nisy ireny fanohanana ireny. Andeha isika hiara-hientana hatrany mba hikolokolo ireo tanoran-tsika mba ho fitaratra sy ho modely hatrany eto amin’ny faritra ny Kaominina sy ny distrika an’Avaradrano ary ny manodidina” hoy ny Ben’ny tanàna ao Ambohimangakely, Randafy Thierry. Dingana lehibe ihany koa no vitan’ny Kaominina Alasora, isan’ireo sangany eto Avaradrano tokoa raha baolina kitra no resahana.

Laisser un commentaire