Viliahazo: Sady nisitraka fiofanana no nahazo fitaovana sy masomboly ireo mponina 
Sehatra miroborobo ao amin’ny Kaominina Viliahazo Avaradrano ny fambolena sy fiompiana. Tanora maro no nisitraka fiofanana sy fitaovam-pamokarana sy masomboly ary biby fiompy tao Viliahazo. “Isaorana ny Ministeran’ny fambolena sy fiompiana, ny avy ao amin’ny FORMAPROD tamin’ny fanohanana hatrany ireo tanora mpamboly. Hery lehibe ho entina hanatsarana ny hoavin’izy ireo tokoa izao” hoy ny avy ao amin’ny Kaominina Viliahazo. “Taorian’ny fampiofanana ireo tanora mpisehatra amin’ny fambolena sy fiompiana teto Viliahazo. Nisy ihany koa ny fizarana fitaovam-pamokarana, masomboly ary biby fiompy maro ho fanohanana azy ireo” hoy ny avy ao amin’ny FORMAPROD. Hery lehibe ho an’ny tantsaha tokoa ny tahaka izao. Sehatra mahavelona ary tsy tokony ho atao tsinotsinona tokoa mantsy ny fambolena sy fiompiana.
Nicole Rafalimananjara
