Ambohimanambola: Tagnamaron’ny fahandriam-pahalemana 
Nanatanteraka fanentanana ho an’ny tagnamaron’ny fahandriampahalemana ny avy ao amin’ny Tobin’ny Zandarimaria Ambohimanambola sy ny avy ao amin’ny Kaominina. Fokontany vitsivitsy no nanaovana izany. “Efa toromarika nomen’ny Jeneraly Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria mihitsy izao tagnamaro ho an’ny fahandriampahalemana izao. Tsy maintsy miara-miasa amin’ny mponina ny mpitandro filaminana vao ho tanteraka izany” hoy ny Sefo ny Zandary ao Ambohimanambola. “Betsaka ny asa hampandriana fahalemana ho atao aorian’izao. Hohamafisina indray ny andrimasom-pokonolona izay hita fa osaosa teo aloha. Efa nentanina ihany kao ireo tantsaha mpandafo vokatra mba hahay hanafina ny fandraisam-bola. Eo ihany koa ny fanaovana bokin’omby mba hisian’ny mangarahara hiadiana amin’ny halatr’omby sy ny famotsiana omby. Mila arahana maso hatrany ireo vahiny tsy fantatra tonga eto an-tanàna” hoy ny avy ao amin’ny Kaominina Ambohimanambola. Tsara ihany koa ny fanaraha-maso ho an’ny olona mivezivezy. Ny fanomezam-baovao ny mpitandro filaminana ihany koa no tena antoka lehibe mampandroso ny tanàna.
Nicole Rafalimananjara
