Royaume-uni : Mitondra ny tsimok’aretina Covid-19 ny mpanjaka vavy Elizabeth II
Nampilaza ny Buckingham Palace ny alahady teo fa voatily niabo ny Covid-19 ny mpanjaka vavy Elizabeth II izay efa 95 taona. Marihina fa andro vitsivitsy talohan’io fanamarinana azy nitondra ny tsimok’aretina io dia voatily niabo ihany koa ny zanany prince Charles sy ny vadiny Camilla.Tsy maneho soritr’aretina misy fahasarotana nefa izy ary tena maivana aza ny fisehon’ny aretina aminy hoy ny mpitondra tenin’ny Buckingham Palace. Nanamafy izy fa mbola hanoy ny asany ao Windsor ity mpanjaka ity amin’izao herinandro izao sady hanaraka fitsaboana. Tsiahivina kosa fa efa vita vaksiny fanefitry Covid-19 fatra telo ny mpanjaka vavy Elizabeth II.
