Seychelles : Isany firenena sangany amin’ny sehatry ny fampianarana
Isan’ireo firenena manana rafi-panabeazana tsara indrindra aty Afrique ny Seychelles. Laharana voalohany izy ireo ary firenena aty Afrique nahatratra ny tanjon’ny UNESCO manoloana ny « fanabeazana ho an’ny rehetra » tamin’ny taona 2022 raha ny fanazavana. Firenena aty Afrique tokona tafiditra ao amin’ireo 50 voalohany amin’ny filaharana eran-tany kosa izy izay eo amin’ny laharana faha-43 ao alohan’i Ukraine, Hongrie, Russie ary ny Émirats arabes unis.
95,87% ny mponina ao amin’ny nosy Seychelles ihany koa dia mahay mamaky teny sy manoratra avokoa. Tsy andoavam-bola ary tsy maintsy hianarana izany ao an-toerana. Voalaza fa isany antony mampiroborobo ny toe-karen’ny nosy izany noho izy ireo tsy voatery manafatra olona avy any ivelany eo amin’ny sehatr’asa.
Firenena faha-11 manokana vola be indrindra ho an’ny fampandrosoana ny fanabeazana sy fampianarana aty Afrique atsimon’ny Saharà kosa ny nosy.
