Angleterre : Ronnie O’Sullivan, matihanina amin’ny » snooker »
Mpilalao « snooker » matihanina i Ronnie O’Sullivan.Voasokajy ho isan’ireo mpilalao manan-talenta indrindra teo amin’ny tantaran’ny « snooker », izy ary anisan’ireo manana anaram-boninahitra goavana indrindra eo amin’izany taranjany izany.
Mitazona ny isan’ny fandresena maro indrindra amin’ny fifaninanana « triple couronne » i Ronnie O’Sullivan ary manana anaram-boninahitra 21 amin’izany : fito tompondaka eran-tany (2001, 2004, 2008, 2012, 2013, 2020 ary 2022), fito tamin’ny « Masters de snooker » ary fito tamin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Royaume-Uni.
I Ronnie O’Sullivan irery no mpilalao « snooker » nihoatra ny « barre des mille centuries ». Manana fomba ny filalaony manokana izy ary tena haingam-pilalao ka nomena ny anram-bositra hoe « The Rocket ».
