SocialTatitra

Royaume Uni: Maty ny vadin’ny mpanjakavavy Elizabeth II

Nodimandry ny zoma 9 aprily lasa teo  ny mpanjaka Philip, vadin’ny mpanjakavavy Elizabeth II. Teo amin’ny faha-99 taonany izy izao maty izao, taorian’ny nandalovany teo amin’ny fiainam-bahoaka nandritran’ny fito taona. Izy no mpanjaka nanaja ny vadiny indrindra teo amin’ny mpanjaka nifanesy tao Britanika. Nanomboka ny 6 febroary 1952 ny mpanjaka Philip Mountbatten no nanambady ny mpanjaka vavy Elizabeth II, dimy taona talohan’ny naha-mpanjaka azy. Nampidirana hopitaly tato anatin’ny herinandro maromaro nohon’ny aretim-po izy, izao maty izao. Tao anatin’ny alahelo mafy moa no nanambaran’ny mpanjaka ny fahafatesany ny marainan’ny zoma 9 aprily teo. Anisan’ny mpiaro ny tontolo iainana izy fony fahavelony, nanamarika azy ihany koa ny fahaizana mampiomehy sy fanehoana tranga mahafinaritra sy miabo manoloana ny zava-misy. Nanana fiteny mivantana ihany koa izy rehefa miteny

Laisser un commentaire