France: Nahemotra ny lalao tennis
Nahemotra herinandro ny lalao hiadiana ho tompondakan’ny lalao tennis ao france. Saika hatao ny 23may ka hatramin’ny 6jona izao ity lalao ity. Araky ny tapaky federasionina ho an’ny taranja tennis, hotanterahina herinandro aorian’izay ity lalao ity, ny faha 30 mai ka hatramin’ny 13 jona nohon’ny mbola fisian’ny valan’aretina coronavirus any an-toerana. Anton’ny fanemorana herinandro ihany koa ny fiomanana amin’ny mety ahafahan’ny kianja Roland-Garros mandray mpijery betsaka kokoa, raha toa ka manomboka miato kely ny fameperana ara-pahasalamana nohon’ny toetr’andro lohantaona any an-toerana amin’ireo fotoana ireo. Nanambara anefa ny minisiteran’ny fanatanjahantena fa mbola eo an-dalàna amin’ny dinika amin’ny fanemorana andro vitsivitsy io lalao io na amin’ny fe-potoana mifandraika amin’ny fifandraisana eo amin’ny besinimaro, miankina tanteraka amin’ny fivoaran’ny valan’aretina ihany koa.
