CUA : Hametraka fitaterana “manara-penitra”
Ankoatran’ny fandrindrana sy ny fikatsahana vahaolana ho an’ny tanan’Antananarivo, hiandraiketan’ny kaominina ihany koa ny mahakasika ny fitateram-bahoaka sy ny fivezivezena eto an-drenivohitra. Matetika no misy ny tsy fifankazahoana eo amin’ny polisy kaominaly sy ny mpitatitra, nohon’ny resaka tsy fanarahan-dalàna sy ny maro samihafa. Fa anisan’ny olana ren’ny kaominina matetika ihany koa ny fitarainana avy amin’ny mpanjifa mahakasika ireo tsy fanajana hataon’ny mpitatitra. Vokatr’izany rehetra izany no nametrahan’ny kaomina Antananarivo renivohitra tetik’asa vaovao izay hanatsarana ny kalitaon’ny fitaterana eto amin’ny fari-piadidian’ny tanan’Antananarivo. Homena safidy manokana ireo mpitatitra raha toa ka maniry ny hanao izany na tsia. Tsy hisy mantsy ny fisian’ny zotra vaovao fa ireo efa taloha ihany no kasain’ny kaominina havaozina amin’ny alalan’ny fametrahana GPS, WIFI, fanadiovana Tanana, vata fahitalavitra, tsy mihaotran’ny olona 3 ny seza fipetrahana. Tanjon’ny kaominina ao anatin’izao tetik’asa vaovao izao ihany koa ny hampifanaraka tsara amin’ny ady atao amin’ny valanaretina Covid- 19, mba hitandrovana ny fahadihovan’ny fiara. Tafiditra ao anatin’ny tanjon’izy ireo ihany koa ny famerenana ny hasin’ny mpamily sy ny mpanampy azy, satria hanao fanamiana mihaja izy ireo ao anatin’ny fanatanterahana ny asany. 1 500 Ar kosa ny saran-dalana, fanontaniana hapetraky ny be sy ny maro anefa ny hoe: ho zakan’ny fahefa-mividin’ny mpanjifa tokoa ve ity saran-dalàna vaovao hapetraky ny kaominina ity ? Ary hazoto hiroso amin’izany ihany koa ve ny mpamily sy mpanampy azy ? Anjaran’izy ireo mantsy no manapa-kevitra na hiova hanaraka io fenitra izay takiana io na tsia.
Fanilo Rarivoarilala
