SocialTsidika

Antananarivo : Misy ihany ireo tsy manaja ny fihibohana tanteraka

Mbola maro amin’ireo mponin’Antananarivo no tsy manaja ny fihibohana tanteraka izay fepetra noraisin’ny fitondram-panjakana ny faran’ny herinandro lasa teo. Mbola maro ireo toeram-pisotroana no nivoha izay nahitana olona nirevy sy nitabataba nandritra ny Sabotsy sy Alahady, andro fihibohana tanteraka. Nahitana olona nitangorina ihany koa ny arabe amin’ny filalaovana karatra sy ny maro hafa. Maro torak’izany ihany koa no nivezivezy na amin’ny fiara izany na amin’ny kodiaran-droa na ihany koa ny mpandeha tongotra. Manao ny asany hatrany ny mpitandro filaminana amin’ny fanasaziana ireo olona manao atsirambina amin’izany fihiboana izany indrindra ho an’ireo tsy manana antony mazava hivoahany ny trano. Maherin’ny 20 ireo olona voatery naiditra am-ponja nohon’ny tsy fanajana ny fepetra sy ny faniratsirana mpitandro filaminana. Ilaina ny mihiboka tanteraka mba hisoroana ny tranga toy izany indrindra mba ho fanajana ny firenena tamin’ny fepetra napetrakin’ny fitondram-panjakana. Noraisina ihany koa ny fepetra mba hisorohana ny fiparitahan’ny valan’aretina be loatra ka ilaina ny tsirairay manaraka izany.

Mampionontsoa Rajaonson

Laisser un commentaire