SocialTsidika

Faritra Atsimo : Vahaolana fohy ho an’ny kere

Ao anatin’ny ady amin’ny valan’aretina ihany isika amin’izao fotoana izao fa any Atsimo kosa miampy ady amin’ny kere ka mianjady mafy amin’ny mponina izany. Tsy misy mihitsy ve hatramin’izao ny vahaolana mahiritra ? Inona ihany koa ny ezaka tokony ho ataon’ny mponina mba tsy hiandry fotsiny izay fanampiana tonga ? Efa mitady paik’ady iadiana ny kere ny fanjakana ankehitriny, efa betsaka ny fanampiana natao ary mbola nampiana ihany izany ankehitriny. Vary milanja 120 taonina, voamaina 238 taonina ary menaka 23 880 litatra no niainga avy tao Taolagnaro omaly 9 May  hihazo ny Distrikan’ny Amboasary Atsimo, Distrikan’ny Ambovombe ary ny Distrikan’ny Ampanihy. Ireo olona marefo sy sahirana no hisitraka izany ka ny eo anivon’ny CCO-K isam-paritra no hiandraikitra ny fizarana, iarahana miasa amin’ny CPGU sy ny BNGRC. 162 andro mantsy ankehitriny no nitsanganan’ny CCO-K eto anivon’ny faritra Anosy sy Androy, raha toa ka 43 andro kosa ny any amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Vahaolana fohy ihany anefa izao natao izao fa mbola an-dalam-pananganana izay mety ho vahaolana maharitra mifanaraka ny any Atsimo ny fanjakana. Marina fa efa manam-pahaizana maro no mandrafitra ny andrim-panjakana maro misy eto fa tsy latsa-danja isika izay manana vahaolana ho azy ireo ka hiara-hiasa amin’ny fanjakana amin’izany. Moa tsy isika samy malagasy va no tokony hifanampy sy hifanoahana volaohany ? 

Laisser un commentaire