Conseil

Boeny : Betsaka ny tombotsoan’ny mponina amin’ny alan-drofia

Miaro ny fambolem-bary noho izy mitazona ny fasika tsy hanototra ny tanimbary no sady miantoka amin’ny fisian’ny rano ny alan-drofia indrindra ho an’ny faritra Boeny iny. Zava-dehibe ho an’ny mponina eny ifotony araka izany ny fanarenana ireo alan-drofia misy any an-toerana satria manatsara ny fidiram-bolany izany. Nanatanteraka fambolena rofia araka izany ny Minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana lovain-jafy niaraka tamin’ireo mpandraharaha rofia tao amin’ny faritra Boeny ary ny solontenam-panjakana any an-toerana. 41 000 zanaka rofia no voavoly ka ny 9 000 tao Ankilahila, CR Betsako, Distrikan’i Mahajanga II niarahana tamin’ny Orinasa KALFANE ; ny 24 000 tao Marosakoa, Distrikan’i Marovoay niarahana tamin’ny Orinasa RAMANANDRAIBE ary ny 8 000 tao Ambatoloaka, CR Tsaramandroso, Distrikan’Ambato Boeny niarahana tamin’ny Orinasa KALFANE. Azo atao loharanom-bola ihany koa ireto rofia nambolena ireto afaka 5 taona satria ny rofia iray dia afaka mamokatra 10 Kg isan-taona. Vinavinaina araka izany fa mahatratra hatramin’ny 1 230 000 000 Ar isan-taona ny vola miditra amin’ireo olona eny ifotony raha toa ka 3 000 Ar ny ivarotana ny 1 kg. Tsy misy afatsy ny fitrandrahana ny zava-misy eto amin’ny firenena ihany araka izany no tena vahaolana ho antsika noho i Madagasikara mbola teorana midadasika sy maro harena na ambonin’ny tany sy ny ambanin’ny tany. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire