ConseilTsidika

Torohevitra : Fanalavana volo haingana amin’ny fomba natoraly

Maro amintsika vehivavy no sahirana amin’ny fanalavana volo. Efa atao daholo ny karazana fikarakarana isan-karazany kanefa tsy mahita vokatra. Misy fomba natoraly sy tsotra azo atao raha te hanalava volo sy mitady vokatra haingana. Mianga amin’ny fahazarana sy ny fahazotoana mikarakara anefa izany.

Raha tiana ho lava ny volo, dia zava-dehibe voalohany indrindra ny manotra ny hodi-doha, farafahakeliny 5 minitra isan-kariva. Mampikoriana tsara ny ra any amin’ny atidoha ny fanatanterahana izany ka manampy ny volo hahazo aina ka ho salama. Mampiasa « lait de coco » ahosotra ny hodi-doha sy ny volo iray manontolo mandritra ny alina ihany koa, atao indroa isan-kerinandro izany.

Ankoatra izay, asiana menaka kinana (huile de ricin) 7 na 8 mitete ny shampoon isaky ny hanasa loha. Mila fadiana kosa ao anatin’izany ny fandorana ny volo amin’ny fer sy ny brushing, indrindra fa ny fanaovana izany matetika. Tsy tsara ihany koa ny mampiasa fihogo madinika hibangona ny volo, anisan’ny mampiongotra ny volo izy ireny. Ary farany dia mila alamina ny rarin-tsaina satria misy fiantraikany lehibe amin’ny loha ny rarin-tsaina ka mahatonga ny volo ihintsana.

Laisser un commentaire