Ankadikely Ilafy : Vita avokoa ny fanadiovana nanerana ny Fokontany
Tontosa ny 25 septambra lasa teo ny fanadiovana faobe teo aminn’ireo Fokontany 18 mandrafitra ny Kaominina Ankadikely Ilafy. Tany Antsampandrano, Andranovelona sy Ambohitraina ary Antsahamarofoza no namaranana izany.
« Rehefa madio ny tanàna, milamina ny saina ary tong any fandrosoana isan-karazany » hoy i Bako, mponina any an-toerana. « Fitarihana fotsiny no ataon’ny Koaminina fa ny tena andrasana dia ny hitohizan’izao asa izao ka ho lasa fahazarana ho an’ny olona tsirairay amin’izay tanàna madio maha-te honina sy lavitry ny aretina i Ankadikely Ilafy » hoy ny Ben’ny tanàna, Rajaonah Rija. « Rehefa madio ny tanàna dia maro ny mpitsidika izay mety hampitombo ny lafiny ara-toe-karena eto amintsika, rehefa tsy mandoto anie dia efa manadio » hoy i Rindra, mponina ao Ankadikely Ilafy. Irariana tsy hijanona amin’ny fanadiovana faobe tahaka izao ihany vao mba hadio ny tanàna fa isan’andro isan’andro dia hahitana taratra ny fahadiovana na aiza na aiza. Tompon’andraikitra amin’ny fahadiovan’ny manodidina azy ny olom-pirenena iray manana vatana tomady sy salama.
Nicole Rafalimananjara
