Vénézuela : Mpandraharaha mpifindra-monina i Mike Timani
I Mike Timani no porofo fa azo ataon’ny mpifindra monina (immigrant) ny mandraharaha. Izy no tompon’ny orinasa « Fancy Pokket », mpamokatra mofo lehibe indrindra ao Canada Altantique. Teraka tao Vénézuéla i Timani, Libanais no ray aman-dreniny. Nikasa handrato fianarana injeniora mekanika izy, antony nifindrany monina tao Canada. Tsy nahazo fahazoan-dàlana miasa nefa izy ary tsy nanana « visa étudiant » ihany koa raha tsy efa fotoana maro taty aoriana ary lany avokoa ny vola teo am-pelatanany tamin’izany.Tsy afaka nianatra ilay efa faniriany niala tao Liban izy tao aorian’io ka niasa « commis-débarrasseur » na mpandamina latabatra tao amin’ny hotely Hilton International tao Toronto. Niasa 9 taona tao izy ary niova lahasa (poste) in’ efatra ambin’ny folo. Nafindra tao Saint John izy ny taona 1985 ary lasa talen’ny sakafo sy ny zava-pisotro. Rehefa nahita fa nahazo traik’efa maromaro dia nanangana ny orinasany « Fancy Pokket » ny taona 1988. Mpanao mofo tsotsotra niasa tamina toerana 1000 metatra toradroa izy tamin’izany ary 3 monja no mpiasa tao aminy. Efa mahatratra 60 mahery kosa ny mpiasany ankehitriny ary mivelatra amina toerana maromaro ny orinasany.
