Rovan’Ilafy : Nisy nandoro teny amin’ny manodidina
Nitrangana firehetana indray tany akaikin’ny Rovan’Ilafy ny herinandro teo ary tamin’ny andro atoandro mihitsy no nandoran’ireo tsy mataho-tody izany. Tonga teny an-toerana ara-potoana ny mpamonjy voina ka voafehy ihany ny afo. »Tena mafy mihitsy ny mahazo antsika ety Ilafy eto, ny mpangalatra manohy ny asany hatrany, ny mpitandro filaminana tsy hay na misy na tsia, ny tanàna doran’ny olona ka simba ny tontolo iainana » hoy i Sahondra mponina any an-toerana. « Mahagaga ihany satria rehefa rova na toerana misy vakoka dia fanahy iniana potehana na dorana na kosehina mihitsy satria ireny no atao hoe mahaizy azy ny kolontsaina mampiavaka ny firenena anakiray amin ny firenena hafa, potehana ilay izy satria ilay firenena sy ny mponina ao aminy mihitsy no tiana ho potehina » hoy i Tsiferantsoa, mpiaro ny vakokoa Malagasy. »Tsy ekena, ary enjehin’ny lalàna Malagasy ny hetsika fanimbana tontolo iainana toy ny doro tanenty, tompon’andraikitra ny rehetra ka sahia mitoroka ny hetsika toy izany » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny famapndrosoana lovainjafy. Misesy tokoa tato ho ato ny hetsika fandoravana sy ny fanimbana ireny toerana manan-tantara ireny izay vao tsy ela akory ny teny amin’ny rovan’Ambohidratrimo dia izao ny Rovan’Ilafy indray.
Nicole Rafalimananjara
