Etats-Unis : Nofoanana ny fepetra natokana ho an’ireo lehilahy miaraka amin’ny mitovy fananahana aminy manoloana ny fanomezana rà
Nofoanan’ny vokovoko mena ny fepetra natokana ho an’ireo lehilahy miaraka amin’ny mitovy fananahana aminy manoloana ny fanomezana rà. Raha tsiahivina dia tsy nahazo niray ara-nofo ireo lehilahy miaraka amin’ny mitovy fananahana aminy ireo telo volana alohan’ny hanomezany rà na dia manambady tokana aza.
Nanapa-kevitra kosa ny vokovoko mena nanomboka ny fiandohan’ny herinandro teo fa tsy hiatra intsony izany fepetra izany ary fanontaniana mitovy avokoa no ho hapetraka ireo mpanome rà rehetra na inona fananahany na inona fironana raha ny voalazan’ireo tompon’andraikitra. Entina hampitomboina ny mpanome rà izany raha ny fanamafisana.
Marihana fa ny 40% ny fitsinjarana rà ao Etats-Unis dia avy amin’ny vokovoko mena avokoa.
