BTC Ambohimangakely: Misokatra ny fisoratana anarana amin’ny fifananina tsipy kanetibe
Mitohy hatrany ireo fifaninana ao anatin’ny hetsika SSMAF, eny amin’ny BTC Ambohimangakely amin’izao fotoana izao. Ao anatin’ilay sokajy fahatelo, izay hanomezana vahana ireo fifaninana ara-panatanjahan-tena dia ny 20 aogositra izao no hanatanterahana ny fifaninana Tsipy kanetibe, eny an-toerana, araka ny voalaza.
“Efa manomboka ny fisoratana anarana amin’ny fifaninana tsipy kanetibe ato anatin’ny SSMAF. Hanasana ireo mpitia sy mpilalao ity taranja ity rehetra handray anjara satria hisy ny loka ho zaraina ho an’ireo mpandresy” hoy i Hasina, tomponandraikitra mikarakara ny SSMAF.
“Misokatra ho an’ny daholo be ny fifaninana ao anatin’ny SSMAF. Ireo avy amin’ny kaominina rahavavy ato anatin’ny distrika Avadrano ihany koa dia antsoina sy hampaherezina handray anjara mavitrika satria fanomezan-danja ny tanora sy ny fanatanjahan-tena ihany koa ny SSMAF” hoy hatrany ny fanazavana.
Eny amin’ny BTC Ambohimangakely araka izany ny fotoana hifanomezana ho an’ireo izay liana na handray anjara amin’ity taranja iray ity. Fotoana iray sady hialana voly io no sady fanehoana fahaizana sy talenta ihany koa. Afaka miantso ny laharan-tariby 0333265009 na 0382606233 moa ireo mila fanazavana fanampina na manontany ao amin’ny pejy facebook BTC.
Manitra R.
