ActualitésTatitra

Belgique : Zazavavy kely iray no novonoina noho ny fifandirana momba ny zava-mahadomelina tao Anvers

Zazavavy kely 11 taona noho ny tifitra nataon’olona tao an-tranony tao Anvers manoloana ny fifandirana momba ny zava-mahadomelina. Raha ny fanazavana dia fandrahonana na valifaty (règlements de compte) manoloana ny ady momba ny zava-mahadomelina (guerre de la drogue) no anton’io famonoana olona io.

Nanamafy ny ben’ny tanàna, Bart De Weve fa misy hifandraisany amin’io ady efa am-bolana maromaro tao amin’ny tanàna io ilay lehilahy nahavanon-doza. Nanazava izy fa misy mpanao heloka bevava manafika ny tranon’ny mpanao heloka bevava hafa noho io ady io ihany.

Raha ny tatitra kosa dia tao ambany rihan’ny trano no nisy io zazavavay io tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza. Tsy voakasika mivantana tamin’ny bala, saingy nipitihan’ny vakin’ny « micro-ondes » izay voatifitra, ka namoy ny ainy. Mbola manohy ny fanadihadiana kosa ireo tompon’andraikitra.

Laisser un commentaire