Toetr’andro : Ho betsaka ny rotsak’orana amin’ity herinandro ity
Anatin’ny vanim-potoana fahavaratra tanteraka ny eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Ho betsaka amin’izay ny rotsak’orana vokatr’izany. Nanomboka omaly dia mitombo ny orana ka ny faritra anatiny sy ny atsinanan’ny Nosy no hahazo betsaka izany hatramin’ny rahampitso. Mety hiteraka fanelingelenana amin’ny fiainana andavanandron’ny olona izany. Mety hiteraka rano miandrona na ranotrambo izany, ahiana koa ny fihotsahan’ny tany.
« Araka izany fahabetsahan’ny rotsak’orana izany dia ho an’ny 10 sy 11 janoary 2023, mahazo fampitandremana miloko mavo ny faritra Vatovavy, Fitovinany, Atsimo Atsinanana, Matsiatra Ambony ary Amoron’i Mania. Fampitandremana miloko maitso kosa ho an’ny faritra Vatovavy, Fitovinany, Vakinankaratra, Analamanga ary Alaotra Mangoro ny 11 sy 12 janoary 2023 », hoy ny avy ao amin’ny Foibe Famantarana ny toetr’andro.
« Na izany aza anefa ny toetr’andro dia mety ho roa ihany koa ny rivo-doza mety handalo an’ny Madagasikara amin’ity taona ity. Izany anefa tsy midika fa tsy misy dikany satria na roa na enina toy ny tamin’ny taona lasa dia samy mety hitondra loza avokoa, izay tsy hirariana. Izany no hiantsoanay antsika rehetra ho mailo amin’ny fiarovana tokony atao mahakasika ny fotodrafitr’asa. Efa mivonona amin’izany ihany koa ankehitriny izahay, ary efa nahazo entina hamonjena ireo tra-boina raha sanatria misy izany hanenana ny taha-pahafatesana », hoy kosa ny avy ao amin’ny BNGRC.
Manentana ny mponina voakasiky ny andro ratsy mba hitandrina sy hanaraka antsakany sy andavany ny toromarika omen’ny manam-pahefana eny ifotony mba hisorohana ny loza mety hiseho ny sampana mpamantatra ny toetrandro eto Madagasikara sy ny BNGRC. Ary ny amin’ny faritra sasany kosa mba ho mailo sahady amin’ny loza mety hiseho.
Miora Raharisolo
