Tennis U16 : Fahombiazana no azo ilazana ny vokatra hatreto.
Dépêche 11 janvier, 10h, Hato ao Harare ao Zimbabwe ny Championnat d’Afrique Australe U16 amin’ny taranja tennis ka manana mpandray anajara amin’izany i Madagasikara. Miisa 3 tamin’ireo delegasiona no tafiakatra amin’ny dingana manasa-dalana. Ireo sokajy olona roa miaraka sy sokajy olona tokana dia samy nahazoana fandresena avokoa ka samy nisy tafiakatra amin’izany dingan’ny manasa-dalana izany avokoa. Mila ny fanohanan’ny Malagasy rehetra izany lalao izany na an-kolaka na mivantana satria anisan’ny miaro ny voninahi-pirenena ihany koa ireto tanora ireto.
