Dépêches

Tsena Petite Vitesse : Mangataka ny hiverina eny ireo mpivarotra

Dépêche 27 septembre, 13h, Ho fanadiovana ny tanàna sy ho fandaminana ny fifamoivoizana dia nohesorina teny amin’ny sisin-dalana eny amin’ny Petite Vitesse ireo mpivarotra. Nangataka tamin’ny ben’ny tanàna izy ireo ny mba hiverenany eny amin’io toerana nahazatra azy ireo io saingy nazava ny tenin’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra fa mbola zava-dehibe ny fandaminana ny tanàna ary efa nomena toerana hahafahana manao ny asany izy ireo.

Laisser un commentaire