Dépêches

Fitsarana : Trano maizina 2 taona sy figadrana 18 volana ary amandy no azon’ny MALAMA

Dépêche 01 février, 13h, Notanterahina omaly talata 31 janoary ny fitsarana an’ny Mahery Lanto Manandafy. Nivoaka ny didim-pitsarana ka gadra mandritra ny 18 volana sy trano maizina mandritra ny 2 taona ary amandy 600 000ariary no azony tamin’izany. Ny 18 volana dia sazy azony tamin’ny fitorian’ilay Vazaha azy noho ny fiampangana fanalam- baraka ary roa taona kosa nohon’ny fitorian’ilay mpitandro ny filaminana azy. Raha tsaihivina dia efa voasazy higadra herin-taona an-tranomaizina sazy mihatra i Malama tamin’ny raharaha Dr Benessy tamin’ny taona 2020. Ny 31 desambra teo kosa izy no nivoaka ny fonja rehefa tapitra ny fe-potoana ara-dalàna hitazonana vonjimaika azy. Naverina tany am-ponja indray izy ary notsaraina izao indray androany. Arakan y fanambary dia mbola tsy nijanona hatreo ny raharaha fa mbola hampiakatra izany hatrany ny tenany

Laisser un commentaire