Fanatanjahantena : Hisy lalao iraisam-pirenena miisa 6 miandry ny Ankoay amin’ity 2023 ity
Ho mafimafy ny fandaharam-potoan’ny Ankoay amin’ity taona 2023 ity. Tafiditra ao anatin’izany avokoa na ireo tanora, na ireo zokiny lahy sy vavy. Efa mila miomana amin’izany sahady ny Federasiona Malagasy ny Baske Ball na ny FMBB satria miisa 6 be izao ireo lalao iraisam-pirenena ho atrehan’izy ireo.
« Hanomboka amin’ny lalao ara-pirahalahiana izay hifanandrinan’ireo lehilahy senior amin’ny sélection Mahorais. Hitohy amin’ny fiadiana izay handray anajara amin’ny tompon-daka eran-tany amin’ny 3*3 vehivavy any Israel. Ireo ekipa 3*3 lehilahy kosa hiady ny tompon-daka eran-tany any Autriche herinandro vitsy aorian’izany. Ankoatra izany rehetra izany dia hisy ny fiadina ny amboara eran-tany amin’ny latsaky ny 19 taona. Miandry eo ihany koa ny Jeux de la Francophonie sy ny jeux des iles izay handrasian’izy ireo anjara avokoa », hoy ny avy ao amin’ny FMBB.
« Mafy ny ady amin’ity taona ity saingy vonona ny ekipa rehetra amin’izany hiaro ny voninahi-pirenena. Tsy mora io ary mila ny fanohanana avy amin’ny Malagasy rehetra sy ny fitondram-panjakana izahay amin’io ady io », hoy ny solontenan’ireo mpilalao.
Ankoatra ireo lalao iraisam-pirenena dia tsy ambakan’izany ireo lalao anatiny amin’ny ekipany tsirairay avy ka mila fanohanana betsaka ireto mahery fo ireto. Tokony hampidirina anaty kolontsaina malagasy mihitsy ny fahaizana mankasitraka amin’ny zava-bita satria samihafa ny fandraisan’ny Malagasy ny mpilalao baolina kitra Barea sy ireto mpilalao Basket Ball Ankoay ireto.
Miora Raharisolo
