ActualitésTsidika

Ambohimangakely: Notolorana solosaina ny sefo Zap ao Atsimombohitra sy Avarabohitra

Nisy ny fanolorana fitaovana toy ny solosaina ho an’ireo sefo ZAP avy ao Atsimombohitra sy sefo Zap Avarabohitra, izay nataon’ny ben’ny tanàna ao Ambohimangakely sy ny fiadidina ny tanàna, ny alarobia lasa teo. Entin’izy ireo manatanterka ny asany sy manatsara izany no nanomezana izao fitaovana izao, araka ny voalaza.

“Ao anatin’ny ezaka izay ataon’ny kaominina dia mendrika ny tolorana fitaovana ihany koa ireo chef zap eto an-toerana. Zava-dehibe izany mba hahafahan’izy ireo manatsara ny kalitaon’ny fampianarana izay sahaniny” hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ambohimangakely.

“Zava-dehibe tokoa ny fandraisana izao fitaovana izao, ka dia hisaorana indrindra ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina amin’ny fanomezana. Mino tokoa fa hitondra fiovana ary hanamora ny asa izay hiandraikitena ireo fitaovana ireo” hoy ny chef zap Atsimombohitra.

Ankoatra ny fanolorana ireo solosaina ireo moa dia nisy ihany koa ny fanolorana fanomezana hafa ho an’ireo mpanabe sy talen-tsekoly tao an-toerana.

Manitra R.

Laisser un commentaire