Brésil : Manahy ny fiverenan’ny covid-19 fanintelony
Ny talata 25 mai teo, nahatratra 450 000 ireo matin’ny valan’aretina covid-19 tao Bresil, raha ny atontan’isa farany nivoaka. Manahy ny amin’ny isian’ny adiany fahatelo amin’ny covid-19 ireo manampahaizana any an-toerana. 452 031 ireo maty voaisa hatramin’ny martsa 2020 ary ny 2 173 amin’ireo tao antain’ny 24 ora farany avokoa. Ity firenena ity izay ahitana mponina 212 tapitrisa ary anisan’ireo be maty indrindra manaraka an’i Etats-Unis, izay ahitana tranga voamarina 16 tapitrisa, ary maherin’ny 73 000 amin’ireo no tranga vaovao voaisa ao anatin’ny andro izay monja. Manahy noho izany ireo manam-pahaizana fa mety misy ifandraisany amin’ny fanalefahana ny fepetra ara-pahasalamana izao fiakaran’ny tahan’ireo marary sy maty izao.
