SocialTatitra

France : Voatendry hitantana ny Louvre i Laurence des Cars

Izy no vehivavy voalohany hitantana iray amin’ireo tranom-bakoka lehibe indrindra manerantany. Voafidy hisolo an’i Jean Luc Martinez amin’ny fitantanana ny Louvre ilay filohan’ny Musée d’Orsay, Laurence des Cars manomboka ny voalohan’ny septambra ho avy izao. Ny alarobia 26 mai no nanaovana ny fanambarana tao amin’ny lapan’ny Elysée raha to aka efa nitantanana ny Louvre nanomboka ny taona 2013 i Jean Luc Martinez. I Laurence des Cars, 54 taona, ihany koa no vehivavy voalohany nitantana ny Musée d’Orsay. Tao ambadik’ilay fampiratiana “Le Modéle noir” tamin’ny taona 2019 izay natao tao amin’ny Musée d’Orsay izy. Io fampiratiana io izay tena nahitana fahombiazana ka nanapahana hevitra hampivelarana ilay tontolo. Tao aorian’ny fianarana tantaran’ny zavakanto nataony tao amin’ny Université Paris IV-Sorbonne sy ny Ecole du Louvre, niditra tao amin’ny Ecole nationale du patrimoine izy ary nandray ny anjara toeran’ny mpitahiry voalohany tao amin’ny Musée d’Orsay ny taona 1994 ary hatramin’ny 2007.

Laisser un commentaire