SocialTsidika

Mandritsara : Hita ny nofo mangatsiakan’ity zaza 9 taona

Ny nofo mangatsiakan’ilay Zaza 9 taona sisa no natsingevan’ny rano ao Mangarahara Mandritsara. Nilomano tao anatin’ity rano ity Ilay zazalahy ka natelin’ny rano. « Tokony ho tamin’ny 11 Ora izy no nilomano tao Mangarahara. Natelin’ny rano izy na mety tsy nahay nilomano. Niroso avy hatrany tamin’ny fikarohana azy izahay fokonokona. Lany aiky saingy tsy hita mihitsy. Tamin’ny 3 tolakandro anefa no natsingevan’ny rano teny ihany izy » hoy i Jean, mponina ao Mangarahara. « Saika nahitana olona natelin’ny rano foana teto isan-taona. Indrindra fa rehefa izy avy tondrahan’ny ranon’orana iny » hoy hatrany ireo mponina any an-toerana. Nisy fomba natao teto amin’ity rano ity taorian’izao loza izao.

Laisser un commentaire