ActualitésTsidika

GEW: Hetsika natao ho an’ny “incubateurs” sy ny mpandraharaha

Manomboka rahampitso ny hetsika mahakasika ny tontolon’ny fandraharahana sy ny fitantanana orinasa, izay karakarain’ny Institut ISS, ny 14, 15 ary 16 novambra no hanatanterahana. Tafiditra ao anatin’ny hetsika hanatanterahana ny herinandro ho an’ny fandraharahana (Global Entrepreneurship Week/GEW) izany, araka ny voalaza.

“Ny volana novambra dia volan’ny fandraharahana. Noho izany indrindra no hanomezana vahana ireo mpandraharaha sy mpisehatra amin’ny lafin’ny fanatsarana ara-tsoisialy ho avy hanatrika ity hetsika goavana ity dia ny GEW. Maro ireo fankalazana sy hetsika hiseho mandritra izany ka hanasana ireo mpandraharaha rehetra ho avy satria hiankian’izany ny fanomezan-danja hatrany sy hampivoarana ny tontolon’ny fandraharahana eto amintsika” hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.

“Tsy hanampaharoa ny hetsika fankalzana izay ataon’ny IISS ity. Omena vahana avokoa ary ho asongadina iroe mpandraharaha eto an-toerana sy ireo mpiara-miombon’antoka avy any ivelany. Fotoana ihany koa ahafahana mampivelatra ny fahaiza-manao ho an’ireo izay te hiantsehatra amin’ny fandraharaharana” hoy hatrany ny fanazavana.

Eny amin’ny IISS Tsiadana moa no hanatanterahana ity hetsika ity.

Laisser un commentaire