Tatitra

Afrique du Sud : Iza moa i Frederik Willem de Klerk ?

Teraka ny 18 martsa 1936 tao Johannesbourg i Frederik Willem de Klerk ary maty ny 11 novambra 2021 tao Fresnaye. Mpisolo vava sady olom-panjakan’i Afrique du Sud izy fony fahavelony. Izy no filoha fotsy hoditra farany tao Afrique du Sud.

Mpikambana tao amin’ny antoko nasionalista i Frederik Willem de Klerk ny taona 1972 hatramin’ny 1997. Nisahana andraikitrana minisitra samihafa ihany koa izy ny taona 1978 hatramin’ny 1989. Izy no filoha farany nitondra ny anaram-boninahitry ny « État de la République d’Afrique du Sud » (1989-1994) ary filoham-panjakana farany tao an-toerana voafidy tamin’ny « apartheid ».

Nitarika ny fanavaozana tao an-toerana izy nandritra ny nisahaniny izany andraikitra izany. Nanafoana ny politika « apartheid » izy tamin’ny taona 1991 ary nanao ny nifampiraharaha tamin’ny « Congrès national africain » nampijoro ny governemanta samihafa loko sy foko voalohany tao an-toerana.

Laisser un commentaire