ActualitésTsidika

Ambohimanambola: Misokatra ny fandraisana anjara amin’ny fifaninanana Tsara ny madio

Mikarakara fifaninana mahakasika ny fahadiovana, fanadiovana ary ny fifehezana ny fako ny ao amin’ny kaominina Ambohimanambola amin’izao fotoana izao. Nisokatra ho an’ny rehetra, nanomboka ny 29 jona teo ny fandraisana anjara ho an’ireo izay liana amin’izany ary tsy hifarana raha tsy ny alahady 16 jolay 2023, araka ny voalaza.

“Ho fanatsarana ny fifaneraserana sy fanampiana fanentanana mikasika ny fifehezana ny fako amin’ny alalan’ny asa ataon’ny servisy Raoka fako, ny kaominina dia mikarakara fifaninanana manentana eto amin’ny tambazotra sosialy “Facebook”. Nampitondrana ny anarana  » Concours Tsara ny Madio » ity hetsika ity ka 100.000 Ariary ny loka ho an’ny mpandresy” hoy ny tomponandraikitra avy ao amin’ny kaominina.

“Tsotra ny fandraisana anjara amin’ny fifaninana. Amin’ny maha fifaninana manentana mahakasika ny fanadiovana azy dia azo atao avokoa ny mmapiasa ireo fitaovana rehetra azo hanentanana amin’ny resaka fahadiovana, fanadiovana ary fifehezana fako. Ohatra amin’izany ny fanaovana horonantsary, hira, mozika, tononkalo, sary sy ny maro hafa” hoy hatrany ny fanazavana.

Ny tanjon’ny fifaninana moa dia ny fifehezana sy ny fahadiovan’ny tanàna. Marihina fa an-jotra moa ity lalao ity ka ireo mpikirakira tambajotran-tserasera no tena voakasika sy hitsara ao anatin’izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire