ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Misitraka tsena mora hatrany

Mbola mitohy hatrany ny fanatanterahana ny Tsena Mora ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Nisitraka izany indray ny Fokontany Andranovelona sy ny Fokontany Masinandriana ny 24 martsa lasa teo.

« Tsy miova ny vidin’entana ato amin’ny Tsena mora. 1 000 Ar ny kilaon’ny vary ary ferana ho 5 kilao isan-tokantrano, ny menaka kosa 5 000 Ar hatrany ny litatra » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. « Tena efa miakatra izao ny vidin’entana. Zara aza misy tsena mora tahaka izao. Isaorana hatrany ny tompon’andraikitra tsy nanadino anay » hoy i Perline, mponina ao Andranovelona.

Manamaivana ny fahasahiranan’ny vahoaka manoloana ny fiakaran’ny vidim-piainana tokoa ny tahaka izao. Na izany aza anefa mila vahaolana maharitra hatrany ny mponina.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire