ActualitésTsidika

Manomboka anio ny taom-piotazana ny lavanila any Sofia sy Diana

Miantoka ny 25% amin’ny vola azo avy amin’ny fanondranan’i Madagasikara entana mankany ivelany ny lavanila, ary miantoka ny 7% ny harinkarena faobe. Natomboka androany 20 may ny taom-piotazana. Ny faritra Sofia sy Diana no hisantatra ny tsenan-davanila manomboka anio 20 may, araka ny tapaky ny mpandray anjara tamin’ny fivoriana tamin’ny alalan’ny teknolojia vaovao, dia ny fivoriana am-pitain-davitra, narahan’ny fankan-kevitra eo amin’ny mpisehatra lavanila (Conseil National de la Vanille na CNV). Ity farany izay hivondronan’ny mpamboly, sehatra tsy miankina miisa 11 ary minisitera miisa 10. Nahatratra 1 770 taonina ny lavanila naondrana, hatramin’ny volana aprily 2020, ary 1 780 taonina kosa izany tamin’ity taom-bokatra 2020-2021 ity, hatramin’ny volana aprily 2021. Ny lavanila no isan’ny sehatra tsara mampandroso ny firenena sady manana anjara toerana amin’ny toe-karena Malagasy ka tsara raha trandrahana kokoa mba handroso hatrany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire