Toe-karena : Nikarakara atrik’asa hampiroboroana ny sehatr’asa ronono ny MDB
Nisy ny fivoriana izay natao teo anivon’ny Malagasy Dairy Board (MDB) izay orinasa misehatra amin’ny fampivoarana ny tontolon’ny ronono eto Madagasikara. Novolavolaina tamin’izany ireo planina nasionaly ho amin’ny taona 2023 ka hatramin’ny 2025 mba ahafahana mampiroborobo ny tontolon’ny ronono. Sehatra iray mbola afaka mivoatra hatrany ity sehatra ity indrindra any amin’ny tontolo ambany vohitra. Mbola tsy mahafe,no ny filàn’ny mponina amin’ny vokatra ronono mantsy ny vokatra azo amin’izao fotoana izao ka tokony hampiakarina izany.
« Noresahina nandritra ny atrik’asa ny hodidina rehetra mandrakotra ny tontolon’ny ronono. Ao anatin’izany ny sakafom-biby, ny fampivoarana ny tolotra ara-pahasalamana ho an’ireo biby fiompy ary ny fampitomboana taranaka izay tokony hojerena akaiky. Raha ireo telo ireo no tomombana dia hahazo vokatra tsara. Ireo tantsaha indrindra indrindra mila omena fampianarana amin’ny fiompiana izay hataony », hoy ny avy ao amin’ny MDB.
« Ny fomba famolavolana ilay tetik’asa “Profilait” entina hanatrarana ity tanjona mahakasika ny fampiroboroboana ny sehatra ny ronono ity ihany koa dia anisan’ny voaresaka nandritra ny fivoriana. Tetik’asa izay vatsian’ny Union Européenne vola. Anisan’ny tetika iray hampandroso ireo mpisehatra ity resaka ronono ity ka izay no antony hanaovana maha-zava-dehibe ny fampiroboroana azy”, hoy hatrany ny fanazavana.
« Ny sehatra hiasana rehetra eto Madagasikara toa misy hosoka daholo. Tokony hivoatra ireo tantsaha any ambanivohitra raha tena mandeha am-pahamendrehana ireo mpandraharaha. Hatramin’ny resaka ronono manko dia efa misy mivarotra hosoka. Lasa izy ireo no mahazo tombony fa tsy ireo tantsaha izay miasa mafy amin’ny famokarana. Izany koa anisan’ny tokony ho tafiditra ao anatin’ny planina izay noresahina », hoy i Rivo, mpiompy avy any Betafo.
Tsy vitan’ny fivoriana sy ny famolavolana an-tsoratra ny planina hampivoarana. Mila mirotsaka an-tsehatra mihitsy mijery izay tena zava-misy marina hahafahana manao ny tetika rehetra manatratra ny tanjona. Anisan’ny tokony ho jerena manokana ihany koa ny fiainan’ireo mpamboly izay tena tokony ho tohanana.
Miora Raharisolo
