Anosy Avaratra : Tontosa tao amin’ny lisea Raombana ny « Remise des prix société des Membres de la légion d’honneur »
Notanterahina tao amin’ny lycée Raombana, fari-pitantanana ara-pedagojia Anosy Avaratra ny fanolorana ny « remise des prix société des membres de la légion d’honneur » tamin’ny talata 15 novambra 2022. Tonga nanotrona ny fanatanterahina izany lanonana izany, araka ny voalaza, ny masoivoho mpiandraikitra ny fifandraisana eo amin’ny légion d’honneur ao France.
« Tontosa soa amantsara ny lanonana izay nanolorana ny remise des prix société des membres de la légion d’honneur teto anivon’ny sekoly. Nandritra izany ihany koa dia nisy ny fanolorana tranom-boky ho an’ny mpianatra, rakibolana ho an’ny sekoly ao anatin’ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Avaradrano » hoy ny tompon’andraikitra misahana ny sekoly.
« Anisan’ny nandravaka izany fankalazana izany, nisy ny fandraisan’ireo mpianatra teto anivon’ny sekoly anjara tamin’ny dihy mirindra sy fampisehoana isan-karazany nentina nandravaka ny lanonana sy nentina nanehoana hafaliana tamin’ny fahazoana ireo fanomezana isan-karazany sy hisaorana ireo vahiny » hoy hatrany ireo tomponandraikitra ato an-toerana.
Ankoatra ireo masoivoho vahiny tonga nanontrona izany lanonana izany moa, dia tonga tao an-toerana ihany koa ny mpanolo-tsaina ara- teknika ny minisitry ny fanabeazam-pirenena, ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Avaradrano ary ireo olom-boafidy sy olo-manan-kaja ao an-toerana.
Manitra Ramanantsoa
