ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : “Moto jog pro” iray nirehitra teny Ambohitrarahaba

Nisehoana firehetana tongon-droa iray teny Ambohitrarahaba, kaominina Ankadikely Ilafy tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo. Araka ny voalaza, avy nameno solika tamin’ny toby famatsiana solika iray teny amin’ny manodidina ity moto ity no nitranga izany.

“Tranga ny hariva teo tety an-toerana; avy nanao plein ny tompon’ity moto Jog Pro ity niaraka tamin’ny zanany, nisosa ilay moto ka izao may nirehitra afo izao. Tsy nisy aloha ny aina nafoy” hoy I Serge, mponina teo amin’ny manodidina.

“Ilaina ny firaisan-kina sy ny fiaraha-mientana manoloana ny loza tahaka izao. Tsy tokony hiandry tomponandraikitra hatrany vao afaka namono ny afo fa afaka nanaovana tana-maro izao ho famonoana ny afo” hoy I Faly, mpivarotra.

Zava-dehibe, ary miaro amin’ny loza ny fananana ireo fitaovana aro loza, indrindra ny famonoana afo (extincteur) ho an’ny mpitondra fiara na ny mpitondra tongo-droa. Anisan’ny fanentanana tokony atao amin’ izy ireny ny fananana ireny fitaovana famonoana afo ireo, mba hisorohana ny fihitaran’ny loza tahaka izao.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire