ConseilTsidika

Torohevitra: Fikojana ny tarehy tsy ho feno tasy

Maro ny antony mety mahatonga ny tarehy ho feno tasy. Tsy ny vehivavy ihany no mety hisy azy ireny fa na ny lehilahy ihany koa aza. Manomboka eo amin’ny fotoana hiovan’ny toe-batana mankany amin’ny olon-dehibe, izany hoe eo amin’ny adolatsento no manomboka miseho ireo mony sy ny tasy isan-karazany. Raha olon-dehibe kosa dia eo ny fiovaovan’ny hormona ao anatin’ny vatana na ny fampiasana ireo vokatra misy akory simika izay tsy zakan’ny hoditra.

Anisan’ny fisorohana azo atao, hanadiovana ny hoditra voalohany indrindra, ny fisotro rano betsaka mandritra ny tontolo andro. Ny fisotroana rano no manampy ny aty sy ny taova ao anaty hanala ireo poizina ratsy ao anatin’ny vatana. Mandimanina ny hoditra rehefa ampy ny rano sotroina mandritra ny tontolo andro. 1.5 litatra ka hatramin’ny 2 litatra no idealy amin’izany.

Ankoatra izay, ny fampiasana ireo akora natoraly hikarakarana ny vatana. Ohatra ny karaoty, ny vahona, ny yaourt sy ny ronono, ny voatabia. Maro karazana ireo akora azo hikarakarana hanalana ireo tasy amin’ny tarehy fa miankina amin’ny karazan’ny hoditra sy ny fahazarana mampiasa izany.

Farany, raha vao misy mony na karazana areti-koditra miseho amin’ny tarehy. Tsy tsara ny mikitikitika azy ireny amin’ny ratsan-tanana. Anisan’ny mandritra ny hoditra ary miteraka tasy goavana ny fikitikitihana azy ireny.

Tsara ho fantatra fa ny fihinana sakafo ara-pahasalamana ary manan-karena otrik’aina toy ny voankazo sy ny legioma dia anisan’ny manampy amin’ny fahatsaran’ny hoditra.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire