Anjeva : Mila fitandremana ireo tany mihotsaka amin’izao fotoam-pahavaratra izao
Lalana iray manamorona toha-drano ao amin’ny kaominina Anjeva amin’izao fotoana izao no hanaovana fanentanana ho an’ny mpampiasa azy sy ny mpandeha amin’izany antso avo noho ny fihotsahan’ny tany ao an-toerana. Mety hampidi-doza raha tsy misy ny fitandremana amin’ny fampiasana izany, araka ny voalaza.
“Efa hatramin’ny taona ela no nitriatra teto amin’ity lalana ity. Amin’izao fotoana izao, noho oram-be nisesy dia nihitatra izany fahavoazana izany ka ilàna fitandremana sy fahamailona ho an’ny mampiasa azy” hoy ireo mpampiasa ny lalana.
“Raha ny fanapahan-kevitra noraisana nentina nikojana ity lalana ity aloha hatramin’izay dia ny fandraràna ireo mponina tsy hanasa fiara eto an-toerana sy ny manodidina. Fa amin’izao kosa mila fepetra sy fandraisana andraikitra lehibe mba hisorohana ny fahavoazana sy ny loza samihafa” hoy hatrany ireo mpampiasa ny lalana ireo.
Anisan’ny fitandremana tsy tokony atao ambanin-javatra amin’izao vanim-potoan’ny fahavaratra izao tokoa ny fahamailona amin’ny fihotsahan’ny tany, indrindra fa ireo mampiasa toerana avo na manamorona hantsana. Mety hitera-doza tokoa izao, raha tsy misy ny fandraisana andraikitra sy ny fijerena ifotony izany toerana izany.
Manitra Ramanantsoa
