ActualitésSocialTsidika

Ambohimangakely: Nanentana ny mponina ao Ambohimahitsy amin’ny fanadiovana ny kaominina

Tonga teny amin’ireo mponina,tao amin’ny fokontany Ambohimahitsy, ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina Ambohimangakely, notarihin’ny ben’ny tanàna ao an-toerana ny faran’ny herinandro teo. Nanentana ny mponina ao an-toerana, sy ireo mipetraka manamorona ny lalam-pirenena faharoa, mahakasika ny fahadiovana izy ireo nandritra izany, araka ny voalaza.

« Anisan’ny ezaka ataon’ny kaominina ho an’ny fampandrosoana ny lafin’ny fahadiovana sy ny fikajiana ireo lakan-drano manamorona ny lalam-pirenena. Izany indrindra no hanentanana hatrety ifotony ho fampandraisana andraikitra ny mponina » hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

« Tena ilaina ny fanentanana ny mponina tahaka izao. Maro ireo tsy mahalala ny ataony ary miandry tarihina amin’ny fandraisana andraikitra. Ny fahadiovana dia andraikitry ny isam-batan’olona ny fikajiana azy ka zava-dehibe ny tahaka izao » hoy i Hery, mponina ao Ambohimangakely.

Ao anatin’izany fanentanana izay hatrany moa dia tontosa omaly alahady, ihany koa ny fanentanana nataon’ny fikambanana LRNC (La rue nous concerne) izay miompana amin’ny fanadiovana hatrany.

Manitra R.

Laisser un commentaire