Maurice : Mila hampiroborobo ny fitsangantsanganana an-dranomasina hoy ny MTPA
Mila hampiroborobo amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny nosy Vanille (Seychelles, La Réunion, Mayotte, Comores, Madagasikara ary Maurice) ny fitsangantsanganana an-dranomasina (croisière) hoy ny MTPA (Mauritius Tourism Promotion Authority). Sehatra iray ahafahana mampandroso ny fizahantan’ireo nosy aty amin’ny ranomasimbe indianina ireo izany raha ny fanamafisana.
Miha marefo ny sehatry ny fitsangantsanganana an-dranomasina aty amin’ny ranomasimbe indianina ary lasa miroana any amin’ny Méditerranée kokoa ireo sambo raha ny fanazavan’ny talen’ny MTPA, Arvind Bundhun. Ny nosy Vanille mihitsy hoy izy no mila mihetsika amin’ny fisarihana ireo mpitsangatsangana indray.
Raha ny tatitry ny Statistics Mauritius kosa dia 7 191 isa ny mpizahatany tonga avy any an-dranomasina tao amin’ny nous Maurice ny taona lasa teo ary efa nahatratra 7 161 isany izany nandritra ny tapany voalohan’ity taona 2023 ity.
