ActualitésTsidika

Ambohimalaza : Mpisandoka andraikitra ho manam-boninahitra saron’ny zandary

Lehilahy iray mpanao asa fisolokiana sy mpisandoka andraikitra no saron’ny zandary avy ao amin’ny brigady Ambohimalaza, ny herinandro teo. Nisandoka ho komandin’ny tafika ity lehilahy ity ary maro ireo asa fisolokiana efa nataony, araka ny voalaza.

« Angom-baovao azo teny amin’ny compagnie Antananarivo Ville no nentina nanamarinana ity lehilahy nisandoka ho manam-boninahitra ambony ao amin’ny tafika, mitondra galona komanda ity. Nisahana ny fanadihadiana momba  azy ny brigady Ambohimalaza noho izy monina ao Ambohiboahangy Ambohimalaza » hoy ny avy amin’ny zandarimaria.

« Voamarina fa tena mpisandoka tokoa izy. Hita tao aminy avokoa ireo fitaovana nentiny nanao ny asa ratsiny, ny galona an’ny tafika komanda, ny sariny misalotra galona an’ny komanda ary ny fanamiana fitondra manao fanatanjahan-tena an’ny tafika. Ankoatra izay, efa maro ireo olona voasolokiny izay nagalany vola mitentina 4 tapitrisa ariary. Milaza ho mpamatsy vary ihany koa izy » hoy hatrany ny fanazavana.

Voatazona eny amin’nu fonja Antanimora moa ity lehilahy ity amin’izao fotoana. Vehivavy iray mpiray tsikombakomba taminy ihany koa no voasambotra. Izy moa dia voalaza fa efa tao anatin’ny fianakaviamben’ny tafika teo aloha saingy voaroaka ny taona 2017.

Laisser un commentaire