Chine : Olona efatra no maty vokatry ny oram-be mikija tany amin’ny faritr’i Guangdong
Tafiditra ao anatin’ny faritra mena ny faritra atsimon’i Chine, vokatry ny oram-be mikija nahafatesana olona, tao an-toerana, hatramin’ny omaly. Ny faritr’i Guangdong dia faritra be olona indrindra ao Chine ary anisan’ny mpamokatra asa tanana indrindra mampiavaka ny kaontinata Aziatika. Nohamafisin’ireo manam-pahefana tany an-toerana izany antso fanairana izany noho izy be mponina, hatramin’ny 17,7 tapitr’isa ny mponina ao aminy sy ny mety ho fiantraikan’ity oram-be ity ao an-toerana. Hatramin’ny alakamisy no efa namely ity faritra ity ny oram-be mikija. Olona efatra no efa namoy ny ainy tao anatin’izany. Tanàna maro ihany koa no tondraky ny rano ary efa aman’aliny ireo nafindra toerana.
