SocialTsidika

Inona no idiran’ny atody amin’ny fankalazana ny paska ?

Marina fa tsy kolontsaina eto Madagasikara ny mifanolotra atody satria manana heviny hafa izany raha ny fomban’ny Ntaolo. Hitantsika eny rehetra eny anefa rehefa manaiky ny fankalazana ny Paka ny fisiana atody miloko. Inona no dikany ? Mariky ny fiainana ny atody raha ho an’ireo mponina any amin’ny ilam-bolatany avaratra ka hifanoloran’izy ireo hankalazana ny zaran-taona hidirana amin’ny fahavaratra izany hoe mandalo ny lohataona fanatodizan’ny akoho ka atody efa miloko no omena. Tamin’ny andron’ny « Moyen âge » ihany koa, raha ho an’ny fivavahana katôlika dia tsy nahazo natao ny mihinana atody mandritra ny karemy izany hoe 40 andro mialohan’ny Paka ka lokoina avy eo tehirizina ary rehefa tonga ny paka vao azo ampiasaina. Fa nanomboka ny taonjato faha 18 no nitsirihan’ny hevitra tamin’ny fanesorana ny tao anatiny ka nofenoina « chocolat » ho mariky ny famaranana amin’ny fifadian-kanina. Mbola ahitana taratra izany fomba izany any Allemagne amin’izao fotoana izao. Fa tamin’ny taonjato faha19 kosa no nivoahan’ny « chocolat » miendrika atody voalohany indrindra noho ny fikarohana marobe natao. Somary hita taratra eto amintsika ihany anefa ny atodin’ny Paka indrindra rehefa hanao doka varotra amin’ny andro fetin’ny paka toy izao ary isan’ny sary hisontomana ny olona ny sarin’atody miloko sy handravahana ny toerana. Tsy misy hifandraisany velively amin’ny fitsanganan’ny Kristy araka izany ny tantaran’ny atody fa noho ny kolontsaina amin’ny firenena na vondrona na toerana iray.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire