ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy: Tany mahajanga no nanatanterahana ny fisindana ho an’ny mpiasan’ny kaominina

Tany Mahajanga no nanatanterahin’ny mpiasa eo anivon’ny kaominina Ankadikely Ilafy ny fisindana ho an’ity taona ity. Naharitra enina andro izany, izay nanomboka ny Alakamisy 27 oktobra ka hatramin’ny 01 Novambra teo. Efa niverina amin’ny asa andavan’andro mahazatra sy ny fandraisan’olona ireo mpiasa nanomboka ny 02 Novambra teo raha ny voalaza.

“Fanao ary ilain’ny mpiasa ny fankan-drivotra kely toy ireny ho fanovozan-kery indray hihatrehana ny asa entina manasoa ny vahoaka. Tanjona ny firaisan-kina sy ny firaisam-pon’ny mpiasa hisian’ny firindràn’ny fampandrosoana sy ny asa eto amin’ny kaominina” hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana.

“Zava-dehibe tokoa ny fanaovana fisindana. Tokony hita taratra amin’ny fitohizan’ny asa anefa ny vokatr’izany, mba hisy fiovana eo amin’ny fandraisana sy ny fandaminana ny asa. Maro ireo sehatra mila jerena manokana ary tsy tokony atao ambanin-javatra indrindra ny filaminan’ny mponina” hoy I Rémi, mpandraharaha.

Tsy maintsy misy hatrany ny fandaminana izay tsy maintsy arahanin’ny rehetra eo amin’ny sehatra isan-karazany. Marihina moa fa manana fikambanana ny mpiasa eo anivon’ny kaominina dia ny FIMPICRAI, izay ny latsakemboka ataon’ny mpiasa sy ny fitadiavam-bolan’ny fikambanana madiodio no nahafahana nanatanteraka izany fisindana izany.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire