Fanatsarana ny tanàna : Fokontany maro ato amin’ny kaominina Antananarivo no hisitraka ny tetikasa Lalankely
Dépêche 07 novembre, 15h, Tetik’asa avy amin’ny firenena Frantsay ny « Lalankely », izay tetik’asa hanatsarana sy hanadiovana ny tanàna amin’ny alalan’ny fanamboarana sy fanavaozana ireo lalankely rehetra eny anivon’ny fokontany. Mitentina 56 000 tapitrisa ariary ny teti-bola nanatanterahana izany ary fokontany miisa 220 no nisitraka nanomboka ny taona 2011. Amin’ity andiany fahatelo ity dia niampy 88milliards ariary no vola hampiasana ka mitily faritra 108 ao anatin’ny fokontany 27 izy ireo. Ny fanatanterahana tetikasa toy izao dia tokony hangarahara foana mba hatokisan’ny vahoaka ny olom-panjakana sy ireo mpanao ny asa mahasoa ny tsirairay.
