Forum Handicap Emploi: Omena sehatra amin’ny tontolon’ny asa ireo olona manana fahasembanana
Omena sehatra ireo olona manana fahasembanana, indrindra eo amin’ny arak’asa. Io no anisan’ny antony hanatanterahana ny »Forum Handicap Emploi » andiany voalohany, izay hatao ny 28 sy 29 septambra izao eny amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely. Kendrena ao anatin’izany ny fampitoviana ny olona manana fahasembanana amin’ny rehetra. Eo ihany koa ny mba hijerena ny olona manana fahasembanana araka ny fahaiza-manaony eo amin’ny sehatry ny asa mba hampiharany ny talenta ananany. Tsy ambanin’izany ny fanamboarana ny fotodrafitrasa sy ny tontolo iainana ho azo hivezivezen’izy ireo, mba hahafahany misitraka tanteraka sy hampiroboroboana ny zony.
